Ampidiro aloha ny tenimiafina
OVAIKO TSIKY (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ravahako amin'ny tsiky ny fiainako mangianaMba tsy ho tsinjonao ny masoko tomany
Dia tsy ho fantatrao ny ziogam-pahoriana
Niainako hatrizay sy nolanjaiko hatrany
Ireny ratra-poko sy ny sentosentoko
Dia mody ovaiko sangy amin'ny tafatsika
Tsy tiaku ho fantatrao mantsy ny alaheloko
F'izany no hafanana handreseko hatsiaka
Dia ho ataoko kalo ilay anara-mamy
Napetraka ho indramiko, niaina teo anilako
Nalefa ka nandao, intsony tsy eto an-tany
Veloma ry malala, veloma r'ilay silako
--------
Rohy:
Mpakafy:
Vonjisoa-Andjanirina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 11/09/2020 07:33
