MBA HITIA ANAO (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Torimaso maro no efa mba nafoiko
Nofy maromaro no efa koa nantsoiko
Ka tapaka ny hevitro fa holazaiko izao
Hoe avelao ny foko mba hitia anao

Efa afa-nenina nametraka baraingo
Afa-po nijery tovovvavy mihaingo
Ka izao ny bitsiky ny fo anatiko ao
Tiako sy iriko ny mba hitia anao

Na aza rediredy, tsy ahoako izay ventsoiko
Tokana no fantatro, tia anao ny foko
Ka ito foko singana te mba hidoria
Hiangaviako anao, avelao hitia

Betsaka ny mbola tiako hozaraina
Kanefa aok’izay, ndrao vizana ny saina
Ny fiangaviako farany mba ho asanao
Tsy izaho irery no hitia fa koa ianao

ZAVONA RAKOTO
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
35 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 06/02/2026 05:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121