"NITADY IHANY" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitady ihany ianao rehefa koa ny ela,Namadibadi-dela dia sahy nikopa-tanana,
Disodiso didy ka io niverin-dalana,niantso ny findaiko.
Saingy tsy niniako,
ny ranomaso tokana nataoko taminao no nanadio ny saiko.
Afaka ny foko.
Tsy akory valifaty na sanatria ankaso,
fa monja valin’asa nanao tampody fohy.
Ny Ntaolo razambeko mihitsy no nanefy hafatra ho ahy
Fa n’aiza n’aiza tany dia tena misy tody ny jalin’ny fanahy,
Ka aza tsiny indrindra.
Nitady ihany ianao fa kila endim-boanjo,
Dona vava-ranjo ka mila toha-tanana hanohan-tsok’ila
Anefa indrisy dila! Voahodim-bolamena ny tanako ankavia,
Tsy afaka hiverina aho na aza hoe nitia,nanombina ho anao.
Fa efa ampy izay.
Eny e,haiko ihany hoe mbola hoavy ianao,
Hanoratra somaiso sy mbola hila vaniny toy ny teo aloha.
hirintona fiteny,haditraditra fo,
fa monja teny tokana no azoko borahana
mason-dolo ihany no tsy azonao torahana.
Fa tena miala tsiny.
Zavona Rakoto (AQUARIUS)
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo - Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 23/01/2026 06:21
