"TAONA TELO ARIVO" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Farito sary an-tsaina,
Hiampy arivo taona ny andro misy antsika,
Tombano amin’ny endrika sy fofompofom-bika,
Fa toa hivoatra gaigy ny taona telo arivo.

Topazo ka tsiahivo,
Hanaisory arivo ny misy antsika izao,
Alaovy sary an-tsaina ny zavatra niseho
F’angamba mba naniry hiaina aty ‘zareo (Ntaolo)
‘’mba vinavina ihany’’

Fa etsy kely ange e,
Ny arivo efa lasa sy ny arivo taona hoavy,
Ampifanampio amin’ny taona roarivo,
Ataovy savahivo am-po vinaninany
Hisavoritaka eto,ho potika ny tany,

Nofiso kely monja,asio kisarisary
Intsony amin’izany tsy hisy malabary,
Hamadika takila ny taranaka mandimby;
Dia hahita gasy miambozona fripy sy volo be mihinjy,
F’isika moa no Ntaolony.

Hisy koa tantara hitsidika ho reny,
Dia mety hoe tsy teny gasy intsony koa no teny.
Ny vazo novanovaka fihira ankehitriny,
Ireny amin’izany no kalon’ny fahiny.

tsy haiko na hoe vary ihany foana no sakafo,
fa am’izao aloha! Ny savony az'efa lafo,
ny zavatra tsy hiova sy tena mba ekeko,
Malagasy foana no mbola honina eto,
‘zany moa ry tompo o?

Zavona RakotoZavona Rakoto
--------
Rohy:
47 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116