"VATONONO" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga taona lesy a,Ora famoazana ka zary dongadonga
tsy akory zaza pelika fa antso dia mba tonga
efa voninkazo ka dia milalalala,
nitombotombo tratra ka toa miadaladala
mijerijery bika!
Tonga taona lesy a! Feno fehim-potoana
Manomboka eto izao dia tsy ho bedy foana,
Hifarana hatreo ny daroka sy vono,
Milaza ho lehibe fa naniry vatonono,
Aleo hono izy hivoatra e!
Nanomboka nitombo ny saina manontolo
Lasa tia fitaratra, mikarakara volo.
Dimy niampy folo taona no nananany
Dia nikopa-danba hitady izay taranany.
Adoladolantsento!
Zaza tsara taiza sady tsara voatra
Zaza tia taranaka sinaingy kinga loatra
Zatra hinankinana ka dia nitonotono
Tsy hainy fa marary ny misy vatonono
Zavona Rakoto 6 jona 2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Mpakafy:
ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 03/02/2026 05:52
