"MAMO" (Zavona Rakoto)

Nantsain'i ZavonaRakoto
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
io jereo fa mamo ilay sakaizanao
fa hono,novesaran'ny feo an'eritreriny
nanainga fitomany,eny nitalaho,
ny anaranao hatrany no toa naverimberiny.

tena katry hono no toa fibanjina azy,
jemby fieritreritra ka sasatra misento!
tomany,mandohalika toy ny hoe voasazy.
dia lasana ambiroa,mihelina any ho any.

kanefa anie ny molony toa lavitra alikaola e!
fandin-drazany aza ny manandrana an'ireny.
fa hita anfa omaly,katry zazalahy;
nirediredy fatratra,dia koa niteniteny.

Zavona Rakoto 20230723.
--------
Rohy:
28 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto
Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 02/12/2024 10:32
Antsantononkalo
Nantsain'i ZavonaRakoto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141