AMPAMOAKA SY FANENTANANA… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPAMOAKA SY FANENTANANA…
(Les secrets des agents djihadistes à Madagascar)

1.Mahavariana ihany ho'ah - ry zalahy sasany iretsy,
Raha andeha atao hoe bado - nefa toa mbafetsifetsy.
Manasa atidohan'olona - f'efa akaiky hono ny ady;
Ka tsy ilaina intsony izany - mbola andeha hitady vady.

2.Ireo efa manantokan-trano - dia omeny toromarika;
Iray na roa ihany ateraka - fa ny lehilahy ho voasarika.
Ho any an-dafy tsy ho ela - mba hitolona hifofotra,
Ny fanjakana Islamika - tsy azo avela ny ho votsotra.

3.Rehefa resy tany Iraka - sy ny ampahan'ny Syria;
Dia misisika any Eropa, Afrika sy Asia.
Ny ekipany any anefa - tsy mahavoa sady tsy ampy,
Dia hatraty Gasikara - no manofana mpanampy.

4.Paikadin-dry zareo - ny hanao izay haha dondrona,
Ny fahalalana sy fianarana - no iadivan'ity vondrona.
Tsy misy ilana azy hono - ny fampianaran'ny vazaha***;
Ny Koroany dia ampy - hivelomana any an-tsaha?

***(io no firehana fonosin'ny teny hoe Boko Haram na Boky Voarara)

5.Tsy mahafaly azy ireo - izany hoe manan-diplaoma;
Ireny manko mahatakatra - fa tena ratsy ity saoma (kilalao).
Ny vehivavy aza ferany - tsy hivoaboaky ny trano;
Na koa tsy hiseho endrika – fa sao mampiditra angano.

6.Dia mody hoe fiarovan-tena - tsy ho azom-pahotàna,
Sady ho voafehy tsara - tsy mba hanao hadalàna;
Fa ny tanjona ao ambadika – dia tsy finoana loatra;
Fa finiavana hanakobona- ny sainy tsy hivoatra.

7.Anjara inona no ho azo - n’ny vehivavy misaron-tava?
Izay hampakatra azy ho vady? Ho ankamantatr’ eny lava!
Ny fianarana navelany - satria izany no toromarika.
Ny mpampiasa tsy misy haka - vao mahita dia hangarika.

8.Rehefa maro ny voafandrika- amin'izato paipaika;
Dia ho betsaka ny ho lasa - vadivady vonjimaika;
Tsy ho vady voasoratra - satria izany hono tsy ilaina
Mody hoe vady ara-pomba- nefa izy no ambakaina.

9.Tsy tia olona hianatra – mba hampanjary ny taranaka;
Fa ny sekoly hono hoe - fanandevozan'ny mpanjanaka.
Tsy mila vavy mba hivoatra - ka tsy ho voafehy intsony;
Dia mody fitafy ara-pinoana - no voizindr'ilerony.

10. Izahay rah’ miteny izany- sanatria hampiboridana;
Tsy izahay velively akory - no hampirisika hiridana.
Fa tsy afaka hitazam-potsiny - izato loza efa manambana;
Inona moa no mahazoky - raha tsy mba hiteny sy hitsangana.

11. Ho zakaiko ny andraikitry - ny teny izay avoakako;
Ho tsarain’ny Tompo aho - eo anatrehan’ny vahoakako.
Antenaiko mba ho ekeny - izay anjara biriky kely.
Sanatria tsy ho voateny- tsy nah’vit’ adidy velively.

12. Dia faranako ity hafatra - ho an’ny silamo mba misaina;
Mianara daholo dia miasà - ary mahaiza miara-miaina;
Tsy misy afa-tsy izany - no hampiroborobo fatratra;
Ny finoan-tsika eto Dago - ka isika ho fitaratra.

13.Ny ady tanin’ireo arabo - efa anjara ratsy ho azy;
Ny adintsika Malagasy - dia ny tsy hizakana sazy.
Kobay mivadika hifototra - amintsika ny hetraketraka.
Tena tanjaka ho antsika -ny fahaizana mipetraka.

Zoky Habib,
12_09_19
--------
Rohy:
618 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133