RAMADANIMPAHASOAVANA (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1.Ry volana tomaratra - mpizara hazavana.
Miaramilan’ny Mpahary- fitahiana ho anay.
Efa antomotra ny andro - itsidihanao tanàna.
Hanomezampitsaharana - ny fo amampanahy.

2.Nirahina ianao - hitaona indray anay hidio
Hamerina amin’ laoniny - ny fonay ef’ harafesina.
Ny taondasanay tsy mendrika - sy ny ankehitrio.
Ho lalorampiderana - sy fifonana ventesina.

3.Hifady hanin’ izahay, - ka hanintsampahazarana.
Hifehy ireo filàna - sy hanetry tena koa.
Ireo sakafo sy ny vady - anananjo sy nisasarana.
Afoinay ora lavalava - ho fankatoavana tokoa.

4.Hamolatena izahay, - ho resenay ny satana.
Hanao fanamby iray volana - fa vitanay izany.
Ka ho olombaovao - hiaina anaty hatsarana.
Ho mendrika kokoa - hanasoa ny eto antany.

5.Tongava soa ny alindray, - ho sandain’ arivo volana.
Alindray hanova lahatra - katsahinko fatorana.
Na nafenina aza ianao, - isahirananay tsy olana.
Hitady mafy aza hatao - ka maika misy anao tolorana.

6.Fahasoavandehibe - sy indrafo mihoapampana.
Ny fitsidihanao anay - ka araraotina aok’ izany.
Aviavia ry olombelona - sarahintsampatsampana.
Aza asiana alaharo, - mandraisa anjara avy hatrany.

7.Ilay Nahary Be Fiantra - dia mijery ny ao antratra.
Ahoanao izay mpanatsatso, - fa tsy azy anie ny lanitra.
Zara be aza mba velona, - mbola afamampihatra
Atombohy izay vitanao, - fa ho sitrak’Andriamanitra.

Zoky Habib.
--------
Rohy:
108 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0152