TOLOMPIAVOTANA (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOLOMPIAVOTANA

1. Isanteny mba faneva iray fahiny
Nanamarika fitiavantanindrazana.
Nangatsiaka namanala ankehitriny
Fa savolain’ity fiainana efa mazana.

2. Ny firenena raha tiana hasandratra.
Misy ezaka sy asa soa iombonana.
Ny filamatra sy saina mila atambatra.
Tsy ankanavaka anarampiangonana.

3. Raha samy te hiseho ho mahay.
Ka tsy hamondrona finiavana sy hery.
Dia harefo lalandava rahatrizay.
Ireo tanjon’imasohana ho very.

4. Ny misaina sy izay miezaka manakatra.
Tsy hitazampotsiny ka hamela ho andavaka.
Fa manarina ary koa miasa fatratra.
Ny fikirizana no ombaina valimbavaka.

5. Ny firenena Malagasy mila olona.
Mitraka sy mijoro hanao tolona.
Tsy matahotr’izay sedra fa dia vonona.
Hilofo hatrany ary tsy mba mora mionona.

Abou Nusrayni
230623
--------
Rohy:
405 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.101