KASE SY TARIGETRA (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fahanginako mazàna tsy milaza n’inon’inona.
Ny lehilahy dia tia misaina ao anaty fakana aina.
Indraindray aza ny marina raha toa ka fintinina.
Tsy te hisaina n’inon’inona ary tsy minainaina.

Ny rivotra mifofo tsy voatohitra fitsofana.
Tsy andaniana rondoha ny olantsarotra vahaina.
Maro ny olona amin’izao tsy te hiala fahalovana.
Zary tia menomenona mirona ferotraina.

Tsy ary oviana ho lavorary izay kinasako rehetra,
Ka hoe haverinko dinihana isaky ny misy kiana.
Lavitra ahy raha ny nenina takoko sy joretra.

Ny fijeriko tsy niova, ny filamatro mitoetra.
Tsy angatahampankatoavana amin’iza rahoviana.
Izay tinapako, sinoratro? Kase sy tarigetra.

Tsy avonavona na doika fisehoana ho efa feno.
Fa ratsy toerana izay vandana mitory ho olomarina.
Izay efa rariny no arahiko, izay tianao teneno.

Ny onjan’ny natiora? Manazatra anao hiarina.
Na hanjary ho martiora, ilazako enao haheno.
Izay safidindehilahy tsy voaova tsy voavarina.


Zoky H.
20260901
--------
Rohy:
40 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118