SAFIDY SAHAZA... (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAFIDY SAHAZA...

1.Nisafidy ny tsy hifidy,
ny vahoaka maro an’isa.
Tsy nahefa hanefa adidy,
Kanefa be famisavisa.

2.Hoe tsy lasa intsony ity ,
Fa miandrandra fanovana ;
Hoe tsy ilay io fa iry,
No toa mendripahefana.

3.Torapo sy vava be ;
No hany afafinao ombieny ;
Hoe tena ratsy toetra anie,
Ilay nitondra teo ireny.

4.Saingy ireo fantakanao,
Toa tia tena loatra koa ;
Samy te ho arotsakao,
Te ho sangany avokoa.

5.Tsy nahay niray feo,
Hoe iray monja no haroso ;
Dia ho resy ho azy teo,
Ilay tsy nahavita nampandroso.

6.Etsy andaniny ianao,
Misalasala sy kanosa ;
Milaza hoe te hanavao,
Kanefa kamo sady osa.

7.Na dia mafy sy mangidy,
Ny vidimpiaina ankehitrio ;
Tsy nahavita ianao nifidy,
Fa hoe hangalatr’ilay io.

8.Manofy kianja hoe hadio,
Eto antany efa lomorina.
Izay mikirakira an’io,
Tsy maintsy hangalatra aoka ho tsorina.

9.Ka na inona hambara,
Na inona ady hevitra eo ;
Tsy mba hisy izany hoe tsara,
F’izay ho eo hampitoreo.

10.Afa-tsy hoe angaha ho ekena ,
Rehefa vizamifandrefy ;
Ireo fiangonampirenena ,
No hatao hitondra sy hamefy.

11. Dia ireo mpitandrina rehetra,
Ireo matahotra afobe ,
No hanova sy hametra,
Hampandry tany faobe.

12. Hanafoana ny asa ratsy.
Hampiato varo-toaka.
Hiasa mafy sy hamatsy.
Hanome asa ny vahoaka.

13. Hanorotoro ireo satana.
Hamongotra ny habibiana.
Ho sahy hijoro hifampitana.
Am’ireo mpanjanako hampodiana.

14.Hifanaraka hanabe.
Tsy hifanenjika fiangonana.
Hampisy fiombonambe.
Hanome vahana ankohonana.

15.Tsy voatery hiara-hivavaka,
Fa afaka mifampianatra.
Na dia eo izay mampiavaka,
Ny fitoniana no ho filamatra.


Fahatsapana miharo nofy …
16-11-23, Zoky AbouNusrayni Habib
--------
Rohy:
251 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147