EFA TSY NAMANA VAO TONGA MARO … (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA TSY NAMANA VAO TONGA MARO …

1.Ny fahafatesana ve no mamoha ny fitiavana,
Sa ny soa toavina no mikoroso fahana ?
Rehefa handevina tsinona ny namana sy havana,
Vao mirohitra maro mameno ery ny lalana.

2.Ilay olona anefa teo niady mafy sy nitolona
Niezaka mitraka na dia ny fony hotohoto.
Ilay tava-malodava tsy mba noraharahian’olona
Maty izy nony avy eo, vao ianareo mirotoroto.

3.Tsy nampoizina ny nialany ! Eee, tampoka loatra.
Vao nomaly izahay no nifampivazivazy.
Enga anie ianareo rehefa mby any ankoatra.
Tsy ho isan’ny voapanga ho tsy tena nitia azy.

4.O rey olona tsarovy, fa ny havana sy namana,
Mahavonjy ihany, fa tsy antenaina ho eo foana.
Fa ny vady andefimandy raha toa ianao ka manana
No loharanonkery iatrehan’olamanoloana.

5.Raha ity farany kosa no sanatria tsy ianteherana.
Fa manampy trotraka no ataony, ary koa miterakenatra.
Na tanora aza ianao, ny hakiviana ho fanamperana.
Tsy hisy maminy aminao no mbola hiverina eny antsehatra.

6.Tsy ny marina rehetra no filaza sy famoaka.
Fa dia misy ny olombelona tsy mandinika mihitsy.
Ny mananatra ihany no atao raha toa ka
Mety hisy ny hiova, tsy maninona na vitsy.

7.Raha ny hamaron’olona nanotrona ny razana.
Maha te hilaza hoe inay anie fahavelony.
Raha mba nisy ny azo atao nanampiana, namafazana.
Mety ho nanavotra azy ihany nampisava ny alahelony.

8.Tahaka izany koa ravady, ankehitriny, tonga saina.
Saingy efa tara loatra, izy lasana, nandao.
Ireo kiana variraraka, tsy nahafahany niaina.
Hitamberina mangina, tsy hampahita tory anao.

9.Aoka tsy hisy hieritreritra, hoe fa iza indray izany ?
Ny fitiavandrahanao no mahatona anao manahy.
Tranga tena nisy io, fa nafangaroko vinany.
Ny taoteny tahaka itony, natao hisainana dia izay.

040124_AbouNusrayni
--------
Rohy:
162 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143