ANGAMBA KOSA TSY NITERAKA (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANGAMBA KOSA TSY NITERAKA

1.Raha mba rain-jaza ihany,
Tsy mba hahafoy ny zanany.
Trotroin’olon-kafa any;
Kamboty ray ka tomany.

2.Angamba kosa tsy niteraka,
‘reo lian’ady tia mitaoana;
Ny vahoaka efa reraka,
Sady sasatra misaona!

3.Fa tahaky ny ahoana loatra,
N’ fanahy, saina, fo anaty;
No mirehitra mitroatra
Hampikararana faty?

4.Fa satria ve misafoaka,
Ka ny fiadiana no aranty;
Miseho ho mafy tsy mitsoaka;
Ka ny handefitra tsy tanty?

5.Dia hadino hatreo ny zaza;
Tsy raharaha ny iafarany?
Lasa ianao mivazavaza,
Hanapotika ny tany?

6.Izay nitarika ny ady,
Tena diso sady adala;
Fa mbola adala izay mitady;
Ny hamaly fa tsy miala.

7. Hambompo mahajambena,
No angonina ao an-tsaina;
Ka hamonoana ny tena,
F’angaha ianao tompon’ny aina.

Zoky Habib
10_01_20
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Fahafatesana - Ady
626 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015