ATAOVY FOMBA*** REHEFA MITIA … (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATAOVY FOMBA*** REHEFA MITIA …

1.Ny fianarana aloha, ary ny asa;
Izay vao mahazo miresaka vady.
Raha ny fitiavana s’ izay mba kinasa;
Aoka hijanona ery am-bavahady.
Tsy ahoana izay vita, izay efa lasa;
Ireo hadalana hampivarina an-kady.
Efa ny atidoha mihitsy no voasasa;
Raha miala amin’ireo dia toa mila ady.

2.Ny natiora izao no iniana poretina;
Ampandeferina hono fa tsy mba ilaina.
Izay hahatafita no eritreretina;
Fa ny fitiavana aza hirahiraina.
Na hampijaly, na hitarika aretina;
Safidinao ny hoe te ho ratraina.
Raha misy harena indray azo entina;
F’izany izao no mba tena andrandraina.

3.Ny saina ihany anefa no minia;
Rah mody fanina amim-pitia maniry.
Fa na sakanana io dia mania;
Tsy ho voatohitra na iza no hikiry.
Ny fony manosika azy hankafihy;
Na ho raranao impiry na impiry;
Tsy hahasakana azy tsy handrovi-tsihy;
Ka tsy aleo hamasinina, dia hankadiry?

4.Dieny mbola tsy mangalatra fihinana;
Ka hifampiampanga amin’ny faharatsiany.
Tsy aleo ve handeha am-pahamarinana;
Ka ho atao fomba avy hatrany izay tiany.
Ny halatra fitia manko fanapoizinana;
Tsy maintsy hiafara amin’ny faharariany.
Manjary ilay dimby mba tokony hiankinana;
Ho ratsy anjara amin’ny andro aoriany.

5.Diniho tsara moa ange ry ray aman-dreny;
Fa na dia ho sakanana tahaky ny ahoana.
Ny fakam-panahy eny rehetra eny;
Miafina aminao izy rehefa noana.
Ka tsy aleo ve izay mba hita amboleny;
Valavalaina tsy hanaotao foana.
Amin’izay anie ianao ka ho ekeny teny;
Satria ny fiarahany efa manoloana.


6.Na dia zaza saina tsy mahavelon-tena;
Fa mbola ianao tokoa no mba ianteherany.
Tsy aleo akaikinao anefa azo fefena;
Toy izay any an-takona tsy re izay fianjerany.
Ny fiarahana madio no ipoiran-karena;
Ankatoavin’ny Tompo sady nofeperany.
Ny hasoavanao ho ataony sesehena;
Handona tapany ianao ary handray erany.


7.Lazaiko aminao fa mbola hafa ihany;
Ny ankizy voatantana amin’ny resa-pitiavana.
Ho lasa matotra be ary tsy mihanihany;
Satria tsy sipa ny azy fa tonga dia havana.;
Ny sainy manontolo amin’iny hatrany;
K’izay hahasoa azy roa dia ananany finiavana.
Na fianarana na asa hilofosany aok’izany;
Tsy ho sahirana intsony ianao fa hitazatazana.

Zoky Habib, mpandinika lalina.
09_01_20
***FOMBA = FISEHOANA ARAHIM-BODIONDRY,
na mbola tsy mahatokantrano aza.
--------
Rohy:
1221 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145