BALA SIVY… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BALA SIVY…

1.Ny fiarakarahana toy ny kodiarana,
Raha sendra vaky mbola azo tapenana.
Kanefa dia misy ny tsy azo anoharana;
Hita ny soritr'ilay notsetsemana.

2.Io fitiavana'io anie tranom-bala;
Izay tifitra atao mapihena ny vatsy.
Raha hiovaova ny anao ny malala;
Tsy hanan-katolotr'intsony atsy ho atsy.

3.Ny fo sy fanahy manko misy tadidy;
Izay nambabo azy dia mamela marika.
R'hefa tena tojo ilay voasafidy;
Tsy izy manontolo intsony no voasarika.

4.Ho tapatapany sisa tavela;
Raha toa variraraka ny fitifirana.
Dia avy eo rehefa ela ny ela;
Ilay fanambadiana tsy misy mangirana.

5.Ny tokantranon'ny Ntaolo taloha;
No naharitra dia tsotra ny antony.
Tsy mba nisy fiarahana mialoha;Ka efa mpivady vao hita ny hakantony.

6.Ao anatiny vao mahita manontolo;
Izay vao mifanoro ny atsimo sy avaratra.
Tsy misy "ex" mety hamono lolo.
Samy voalohany ka mateza tomaratra.

7.Ny tena olana ankehitriny;
Ny fanabeazana dia baranahina.
Ny ankizy foana no omen-tsiny.
Fa na n' lehibe aza ts'hita'ze ho arahina.

8.Izany anefa tsy natao hampifezaka;
Fa tsiahy fotsiny misy ho dinihina.
Natao hisariha antsika hiezaka;
Mba hanatsara izay nomarihina.

9.N'inon'inon'izay efa vita;
Misy hatrany ny azo arenina.
R'hefa mba miezaky ny ho tafita;
Afaka adidy ary koa tsy manenina.

Zoky Habib Abou Nusrayni Idy
23_09_19
--------
Rohy:
669 1
Mpakafy: Aro-Zo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139