FIKOBONANA... (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIKOBONANA...

Ianao mivoy mafy hoe tsy tian-dreo isika;
Maniry ianao ny hoe mba ho raisiny am-pitiavana.
Ka ny toetra asehonao aza toa mianjona masiaka.
Ny fitandroana fihavanana tsy ananao finiavana!

Ny fifandraisana aman'olona nataonao mangatsiaka.
Ny fihetsikao rehetra mampiseho fikobonana.
Atao ahoana ny hitory nefa ianao tsy mba sariaka;
Ny endrikao aza tsy aseho fa nasiana fanakomana.

Ny finoana FAHALEMANA*** raha tonga an'Afrika;
Tsy noho ny fitiavan'ady sy herisetra niely patrana;
Fitandroana fiaraha-monina mba tsy hisy ny tomika;
No nampiroborobo azy sy tena nahazoany vahana.

Izaho aloha manahy fa sao mba misy politika;
Iniana atao mihitsy hambolena fankahalàna;
Efa vitsy an'isa izao ve de mbola mahita fika;
Handrangitan'ireo sasany hamoaka fandraràna.

Raha madio toko ny saina, sanatria tsy mba hivika;
Ny tokony hatao? Manapariaka fahalalàna.
Izay ihany no hampitony andry zareo alerjika;
Ny maharesy lahatra dia fifanazavàna.

Fahamboniana saina inona no mba hananantsika;
Raha hanilika ny hafa ka hivoy fandravàna.
Ny sasany amintsika toa efa liana rà mandriaka;
Tsy finoana intsony izany fa dia tena hadalàna.

Ny fahalemem-panahy no tena hany erjika;
Ahafahana misarik'ireo tapaka sy namana.
Raha toa tena masina fa tsy joko tsoriaka;
Andao hiara-mientana, ny adidy iaraha-manana.

Zoky Abou Nusrayni,
Vavolombelona.
10_07_2019
--------
Rohy:
597 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0415