HAFATRA HO AN’NY MPANKAFIHY…(zaitra) (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA HO AN’NY MPANKAFIHY…(zaitra)

1.Ilay fitiavana ny kanto,
Ao an-poko hatry ny ela;
Toa rindram-peo milanto,
Mambabo ahy tsy mamela.

2.Efa ela no niandrasako,
Aing’iray mahery vaika ;
Hampirobo ity lahasako,
Ka hitombo tsy hitaika.

3.Tsy mora fa dia mazana.
Ny mamadika azy ireny;
Ho toy ny voa nofafazana,
Ho jinjaina zato heny.

4.Na dia eo ny faniriana,
Ny mba ho sangany kokoa;
Izay azo ifaliana,
Sy iononako aloha.

5.Tena satry tsy afenina,
Mba ho raisina daholo;
Ka tsy misy ny haverina,
Ireo kômandy manontolo.

6.Ary ianareo rehetra,
Samy hahazo ny anjarany;
Ef’izay no tarigetra,
Fa ny hery misy farany.

7.Raha mbol’izaho irery;
Tena tsy afaka manoatra;
Ny fotoanako dia tery,
Ka voatery ny misaotra.

8.Raha mbola tsy mahita,
Namana mitovy tanjona;
Voavetr’izay mba vita,
Fa tsy sanatria mianjona.

Zoky ABou Nusrayni
23_10_19
--------
Rohy:
943 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099