ILAY FARANY… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY FARANY…

Hadinoko matetika fa hay moa ilay fara-fofonaiko
dia ho avy hanampoka ahy amin'ny fotoana tsy ilaiko
Tsy izay tiako no atao fa ny Tompo no mibaiko
K'efa voasoratra fa hilaozako ireo rehetra nolalaiko

Na ny vady na ny zanaka, ny reniko sy raiko
Tsy misy ahy akory ireny na tsy hanaiky aza ny saiko
Nampindramina ahy fotsiny na dia nindraindraiko
Mbola ho rava maina avokoa izay novinavinaiko.

Ireo zava-nahavariana sy fitaova-nojifaiko
Tsy ho vita na ny hiteny hoe andraso aloha zaraiko
Rehefa tapitra ny lera tsy misy akory ho voaraiko
Ho bory tanana sy tongotra amin'izay ny fanahiko!

Tsy misy intsony n'iza n'iza afaka andeha hirahiko
Tsy misy hahare ahy miantsoantso hoe vonjeo re ny aiko
Veloma hatreo ireo hasoavana reheta nositrahiko
Koa dia ny valin'izay nataoko ihany sisa no ho jinjaiko.

Abou Nusrayini
Zol Kaida Roampolo Dimy Amby Arivo sy Efajato Taona Telopolo Sivy Amby
Aogositra Faha Fito Roa Arivo Taona Folo Valo Amby
--------
Rohy:
556 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156