IREO TIA KELY…NO TAMBANA (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny mpiasam-bahoaka no misy tia kely
Ka tsy mba namola-pangady tany ngazana
Tsy hilofo hampandroso firenena velively
Tsy afaky ny ho tena tia tanindrazana

Raha hatry ny nianatra ho mpitsabo no tia kely
Ka tojo asa fitsaboana somary mazana
Raha tsy voatolotolotra tena tsy mamely
Fa mimontsomontsona mihidy vazana

Raha ny mpiara-miasa lehiretsy no misy tia kely
Na mahita anao lavo aza izy dia mitazana
Tsy menatra ny hamadika amina vola sekely
Ka mba jerijereo ihany lahy ny tany hamafazana

Raha ny mpifankatia kosa zareo no misy tia kely
Mba misy ve ny hiangana fa tsy ho tapitra otazana?
Rehefa tsy manan-katokona tsy hahazo na bakely
De ho rava ny tantara, ny moba anao hilaozana

Raha ny mpitarika fivavahana indray no tia kely
Tsy mba hifofotra amin’izay fanahy fanabeazana
Lany andro mihaza izay mamy toa tantely
Ny mpiangona iadidiany aza misara-bazana

Ilay Mpanonofy andro mihiratra
15-Jan 2018 16h36
--------
Rohy:
808 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108