Ity kasiketinao ity RAHL ah ! (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity kasiketinao ity RAHL ah !

Azafady angeh ry baina, andraso vetivety.
Misy zavatra tsy aritro anaovako ankety;
Ts’isy idirako ilay izy fa ny saiko no tsy mety
Mahit’ anareo betsaka miondan-kasikety.

Na andavanandro io na koa andro fety;
Na ireo ratsy akanjo na ireo mba metimety
Na ireo tsy dia malaza na ireo efa vedety
Tsy mahazo aina m’hitsy rah tsy miondan-kasikety.

Tsy masoando migaingaina, tsy rotsak’orana vaventy
Na efa alina aza ny andro samy mbola mampirenty
Na tanora miala sakana na efa retirety
Dia tsy miala eny an-doha ny azy ilay kasikety.

Rah’ esorina ve iny voninahitra mietry?
No izay mikitik’azy dia voadaroka, voagety!
Na ireo efa lava volo na ireo izay vao nihety.
Dia toa azon-javatra misatro-kasikety…

Izah tsy mpila vaniny ary tsy mpanao gazety
Fa mba te hahay fotsiny fa maninona hoe letsy
I Dago manontolo raha misy mahavoatety
Dia tena inoako mihitsy feno mpiondan-kasikety



Zoky Abou Nusrayni
21_10_19
--------
Rohy:
574 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015