TSY MILA ANTRA I AFRIKA (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MILA ANTRA I AFRIKA

1.Io fa matahotra ireto fotsy hoditra,
Fa tratran’ny patsa iray tsy omby vava.
Nivadihan’ny rasa ka indro torakovitra,
Fa ny harinkarenany izao no ho rava.

2.Ny firenen’izy ireo ilay nifamorivory,
Tsy nety nifanaraka hiaraka hitrosa.
Tampotampoka teo tsy misy apoaka akory,
Dia milaza ny hamoy ireo trosantsika miavosa.

3.Vao tsy ela akory ry zareo no hita nifandramatra,
Samy nialangalana tsy te hifanampy.
Ny efa zatra nanjanaka ve no hiova filamatra,
Hanao be fiantra nefa ny azy aza tsy ampy?

4.Ny orinasan’izy ireo latsaka an-katerena
Aza tsy hitan-dry zareo hoe andeha hatao ahoana
Ka ny aty Afrika izay tompon’ny harena
No lazainy ho tohanany satria hono noana?

5.Fa dia mihevitra antsika ho tena sanàna
Ka tsy mba hahatakatra ny paikany am’izany?
Vola be vao natonta tsy amin’ny ara-dalàna
No hatsentsiny aty hitsentsefany ny tany.

6.Fandrika bevata ho an’ireo mpitondra antsika,
Ilay mody hoe manampy avy eo tataovana ny tambiny.
Ireo lelavola rehetra fanampiana an’ Afrika
Ampahazaton’ny harena aondrany any aminy.

7.Ankehitriny rehefa hitany fa kay ny Malagasy
Mitady hifehy ilay fitsaboana izay tena mba iriany.
Novasohiny avy hatrany amin’izay hangasihasy.
Hoe isan’ny firenena mahantra andeha ho ampiany.

8.Soso-kevitra ity na dia bontolo mba teneno.
Ny QMM sy Ambatovy ary ireo volamena
Ampisafidiana izy ireo hoe hiala sa hameno.
Na hampiakatra ny tambiny na ho ravaina aloha ny tsena.

9.F’efa miresak’izay ihany ka nahoana tokoa moa?
Ny fangadiana volamena tsy giazam-panjakàna?
Izay mangady izany avy ve ilaina ireo sinoa?
Nefa betsaka ny sandry tsy an’asa eto an-tanàna?

10.Haikanto moa ity ka mety ho taingina ny hevitra.
Sady ampiadiana rima no anentanana antsika
Ny tian-kiaviana aoka isika tsy hilefitra,
Andao mba hiaraka haneho: TSY MILA ANTRA I AFRIKA.


Abou Nusrayni
04_15_20
--------
Rohy:
815 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142