LEHIBE IZAO! (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LEHIBE IZAO!

Mahatsiaro ilay tisanjery fahiny manao hoe:
Lehibe aho izao!
Tsy toy ny tamin'ny taona lasa
tsy nanao afa-tsy lalao
Fa efa mianatra sy miasa
Lehibe aho izao.

dia niainga ny fanahy ka namela ity-di-penina ity manao hoe:

R'hefa ianao ilay makamaka aina,
Ka miato aloha ireo ketrika mafana.
Indro fa m'verina indray ao an-tsaina;
F'efa lasa tokoa 'nie ny fahazazana.

Tamin'ny taloha rhefa sendra malaina,
Mamorona dongy ary tena tsy tana.
Mikisina amin'ny tany rehefa te ho bataina;
De manaiky ho azy eo ry Papa sy Mama.

Amin'izao anefa tsy maintsy ilaina;
Hiatrik'izay olana mila vahana.
Tsy misy fik'intsony f'enao andrandraina;
Tompon'antoka feno amin'ny lalan-kombana.

Ka n'inon'inona zava-tsedraina
tsy maintsy atrehin'izay hamindràna.
Isaorana ny Tompo ary tena deraina
Fa n' mbola fijoroako ka fahagagana.


23_09_19
Abou Nusrayni
--------
Rohy:
1435 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106