You are here: home > Vetso

MAHAY TENY EKENA TENY - AbouNusrayni

Azo vakiana?

Miala tsiny miala fondro miala salohy fito fa masiatsiaka izy ity eee!

MAHAY TENY EKENA TENY

1.Isika avy any an-tsisintany,
'ndao mba asiana teny vitsy.
Toa mahonen' izany,
Tsy mety  tonga saina m'hitsy

2.Be hambompo fahatany;
Tsy dia tia miasa saina.
Ny valy bontana hatrany,
No mba entina miaina.

3.'reo olon-kamo tany aloha;
tsy dia tia ny mianatra;
No manasa atidoha;
Hoe ny borizano miangatra.

4.Ny asa tsara rehetra rehetra;
Ny fitondrana firenena;
Ataon' ireo amboletra;
F'isika tsy mba tiany omena.

5.De mivonto vatan'orona;
Hoe 'z'hay koa mba mahay ;
Ka tsy hampiasa tenin'olona'
Hijanona amin'ny teninay.

6.Lasa sarotra atoro,
Tsy mila teny ofisialy.
Tenin'ambaniandro hono,
Ka tena tsy mba mahafaly.

7.Kanefa ny eo am'fitondrana,
Efa feno an-dry zareo;
Ireo taratasim-panjakana,
Efa amin'io rehateo.

8.De variana mitsikera,
Sy mioereoera fihetsika;
Tsy mba miezaka hanjera,
Ny tsy fahaizantsika ketrika.

9.Toa izany ihany koa,
Ny amin'n'ny teny farantsay;
Ry zareo niezaka mialoha,
Ka dia voafehiny milay.

10.Kianintsika hoe tsy ilaina,
Fa fitenin'ny mpanjanaka;
Isika kamo sy malaina,
Dia arahin'ny taranaka.

11.Ahoana moa no mba hivoatra,
Tsy teny gasy tsy vazaha;
Ny habadoana tafahoatra,
Dia eny alavitra mizaha.

12.Ireo mandroso hatrany hatrany,
Satria voafehiny ny teny.
Ny hatarantsika sesilany,
N’manome vahana azy ireny.

13.Ka tongava saina amin'izay,
Ianaro ny teny ofisialy;
Ianaro koa ny farantsay;
Dia ho afaka ny jaly.


Abou Nusrayni
12_03-19


Hametraka hevitra

Midira aloha