MALAGASY MITAKY NOSY, ATODY METY HO VATO… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAGASY MITAKY NOSY, ATODY METY HO VATO…

1.Atody miady amam-bato,
Ve isika raha manohitra?
Ireto mpanjanaka tsy miato,
Taranaka mpanani-bohitra.

2.Tsy mba nandefa akory ry zareo,
Na dia mba minisitra iray,
Na de ho fanajana fotsiny,
An’ Atoa Praiminisitray.

3.Fa dia tena ambasadaoro,
Ny traikefany tsy lavina,
Nefa mampiseho rapaoro,
Hoatran’ny hoe mahatsiravina.

4.Raha izaho no teo amin’ny toerana,
Tsy mba ho nanaiky an’izany;
Ny fiandrianantsika ferana;
Izany ve tsy hanihany.

5.Akory anefa ny hatao,
Tsy maintsy misy fiantombohany.
Zara aza misy an’izao,
Handetehana any an-dohany.

6.Fa mbola ho avy ny fotoana,
Hanapahan-tadipoatra.
Efa manomboka mihaona,
Tsy afaky ny tsy hivoatra.

7.Na tsy miray hina loatra,
Isika zanakin’ny tany;
Rehefa misy mampitroatra,
Ry zareo ho fay ihany.

8.Manararaota dieny afaka,
Mananihany ny aminay;
F’izahay anie mivavaka,
Ny hahazoanareo kobay.

9.Mbola ho avy ny maraina
Am’ fomba tsy ho takatra;
Ny vahoaka mitaraina,
Hisy akony mifatratra.

Zoky Abou Nusrayni,
18_11_19
--------
Rohy:
616 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151