MBA HO NIBATA FANDRESENA... (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA HO NIBATA FANDRESENA...

Hadinonao ve ny nahatonga anao mifehy,
Mihafy mafy tsy misotro tsy mihinana?
Toa varian-dresaka sy torantoran-kehy
Mandany lera no atao mampanahirana!

Angaha ianao tsy manam-paniriana intsony?
Efa sambatra tsy misy maha ory?
Tsy manan-javatra iangaviana Ilay ao Ambony?
Toa tsy rototra hanompo firy akory!

Efa manam-bady ve, efa milamin-tsaina?
Ny fanana ve efa ampy miavosa?
Ny resaka asa, tsy misy tokony hampitaraina?
Ny fianakavianao efa tsy misy osaosa?

Fotoana hafa mihitsy ange izao no iananao,
Fitalahoana mafy sy tena fanararaotana,
Handresena izay rehetra nankalao,
Handravana izay mety hasarotana

Tsy misy manana fiainana efa lafatra,
Ny olombelona tsy maintsy misy fahabangana,
Koa tontolo andro mitoloma hiady fatratra,
Ny maty antoka dia izay mihanahana.

Aza misy ariana na dia segaondra sy minitra,
Tokony handraofana hasoavana, harena,
Sao rehefa dila io izay vao hipitrapitra,
Hoe raha nanao mafy aho nibata fandresena.

Abou Nusrayni,
09 Jolay 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Finoana - fananarana
480 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113