You are here: home > Vetso

MBA HO SOA* IZAY ZARAINA - AbouNusrayni

Ianao tsy mba bikaina;
Na mahia na botaina;
Aza atao maha monaina;
Fa ny endrikao miraina.

Na malama na ngitaina;
Tsy izany akory no ampangaina.
Ny asa vita no tsaraina;
K’izay kanto no manjaina.

Ireo mpanala be ditraina;
Ts’ilaina akory kotabaina.
Ny hiafarany ho mangaina;
Satria tsy miasa ka ho maina.

Ampiasao ny anao ny saina.
Mitsangana, aza malaina.
Tsy izay rehetra be lazaina;
No hampiferotana ny aina.

Ny maha izy anao deraina.
Ny moraly aza simbaina.
Ny hampivoak’izay kiraina;
No ataovo fototra iaingaina.

Mbola misy ny antenaina.
Izay no aoka ho dradraina.
Aza mety ambakaina.
Izay mba hainao indraina.

Ny asa-tananao hajaina;
F’izay tsara n’ho jifaina.
Ny fanahinao ingaina;
Mba ho Soa* izay zaraina.

Zoky Abou_Nusrayni
#Soa_Mare
#Akanjo_Soasoa
05_09_19

Hametraka hevitra

Midira aloha