MBA TEFENA KOA INDRAINDRAY… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA TEFENA KOA INDRAINDRAY…

Ny vy malemy kapoka dia ratsiratsy endrika
Ary ny zanaka tiana tsy itsitsiana rotsa-kazo
Ny zezika maimbo no antsoina hoe mendrika
Satria ny legioma tsy misy azy dia mora malazo.

Izay miboboka siramamy ho voan’ny diabeta
Toa izany koa ny mpihanta vonton-tsafosafo
Ny mangidy no mampatanjaka tsy misy fetra
Saria ny vely teha-maina dia tsaroana tsy miato

Raha izay tianao foana no andeha ho soratana
Ho botrefona ianao ka tsy dia ho tsara fiaina
F’izay tsy mety koa mba potserina mivantana
Ka na tsy hampiova anao, ao ny hafa mba hisaina.

Izay midorororo sondriana manala azy
Ka tsy mahita ireo loza eo an-dohany mitatao
Tsy tambitamby akory na koa vazivazy
No hampifoha izato izy mbola variana milalao

Ny fiainana am-panahy akory tsy demokrasia
Ka hoe izay tian’ny maro an’isa no atao filamatra
Laharam-pahamehana izay tsy hahavery ho doria
Ka na tsy hanana-namana aza tsy atao hahasasatra

Ny miaramila vao ofanina no voaporiporitra
Tsy fanambaniana azy fa famolavolana
Mba ho rehefa miatrik ady izy tsy mba hiforitra
Ka hijoro hatrany amin’ny lalan-kombana.

K’ianao zandry kely zaza bodo sy be fo
Manantena hiaina lava anaty fahafinaretana
Mahaiza maka lesona ary ampijereo lavitra ny loha
Meteza ho tefena fa aza be fientanentana

Abou Nusrayini
Sivy Mey roa arivo folo valo amby andro folaka
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
435 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159