Mpino mila beazina… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpino mila beazina…

Moa tsy lehibe isika izao // Tsy toy ny taloha intsony
Tsy irony mpiady kilalao // Fa tompona andraikitra ambony.

Efa vory saina tsara // Mahafantatra ny mety
Tsy mila atoro sy ambara // Vao afaka tsy hihoa-pefy .

Koa sarihina ny saina // Fa misy rivo-dratsy mihanaka
sy fanarenana ilaina // mba tsy ho lovain-taranaka.

Tsy inona tsy akory // F'ilay fisaina baranahana
Raha tsy voatolotolotra dia ory // Toa ireny nozanahana?

Fa mpino inona ry zareo // no hiankin-doha lava foana
Raha tsy voavatsy de jereo // Be taraina tsy hay nahoana?

F'ilay Tompo izay nandidy // Ny rehetra hifady hanina
Ny fahitany angaha mihidy // Na sanatria hoe pahina

Matoa io nanirahany // dia fantany fa hoe mora
tsy hoe akory tsy raharahany // ireo mahantra tsy ampy vola

Raha tsy maintsy hanim-be // no aroso isan-kariva
Fifadian-kanina izany ve // ho nampanaovona ireo iva?

Ko aza mampifendro / / hoe mila tohana izy ireo
ny sainy manjary lasa pempo // ny fanahiny koa hitoreo

Ny Ramadany no fitahiana // tsy noho ny vola afafy
fa ny fanahy mila liana // hahatsapa faly tsy mihafy.

Eny ilaina ny mizara // tombony izany ho anao
Fa tsy ianao mikarakara //No hahaavotra azy izao

Zarina loatra ny ho voatolotra //ny iva sy ny ambany vohitra
Ka rah tsy mahazo lava molotra //Izay nanazatra azy no fositra

Fady hanina fanompoana // Mba mapifehy tena kely
Izay no tanjona koloina //Ne toetra ratsy no miely

Aza mifanimba saina //hoe jereo ilerony mampalahelo
Fa ny tanjona andrandraina // ny ho lavitry ny Helo.

Abou Nusrayini
Folo iraika amby Mey Roa arivo folo valo amby, andro folaka
--------
Rohy:
549 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146