You are here: home > Vetso

NY LAFY TSARANY… - AbouNusrayni

Azo vakiana?

NY LAFY TSARANY…
1.Misy hatrany lafy tsarany,
Amin’ny zavatra rehetra.
Izao tsaroana ilay Anarany
Noh’ ilay aretina tomoetra..

2.Fa hay marefo ity aina,
Raha voadona mitomany.
Mitamberina ao an-tsaina
Fandalovana ny tany.

3.Ny maty raha akipy,
Mampahiratra fijery.
Hoe isika kay iky,
Raha toa variana dia ho very.

4.Araraoty ny fotoana,
Tsy ahafahana mivoaka;
Ampitomboy ny fanompoana.
Mifantoha, aza manoaka.

5.Dia mba ataovy amin’ny fo,
Araraoty hatsaraina
Ny toetra sy izay ao an-doha,
Fa izany izao no ilaina.

Abou Nusrayni
03_27_20





Hametraka hevitra

Midira aloha