NY MARINA FITO ANDININY (AbouNusrayni)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MARINA FITO ANDININYNa samy mino fa tokana ny marina;
Zava-tsarotra ny hampitovy fijery.
Ianao mety mandry, izaho efa miarina;
Ny malalaka aminao amiko mety ho tery.
Na miaraka ambolena aza ny vary;
Dia samy hafa ny fotoana hamoazany.
Ao ny voaelingelin'ny tsiparifary;
Ao ny voaava tsara ka tsy misy fahavoazany.
Izay nobeazina tamin'ny raharaha maro;
Tsy miferotr'aina raha mitokana trano.
F'ireo izay niaingitra kosa mahatsiaro;
Fa raha mitoetra irery dia nidiran'angano.
Ireo izay nandalo finoana samihafa;
Maranitra kokoa ary mandanjalanja.
F'ireo izay nikobona no tsy dia tafa;
Rehefa miady hevitra mirehitra toa vanja.
Ka io saina io eo anatrehan'ny finoana;
Izay namolavolana azy no afaka takariny.
Na dia tobahanao porofo manoloana;
Izay fantany ihany ny azy no fongariny.
Raha hanakiana ny hafa ianao hoe ireto;
Tena very lalana tsy mahalala izay alehany.
Ny manaraby azy ve na koa manapepo;
No heverinao fa mendrika sy misy fetezany?
Ny fo tia namana dia miezaka misarika;
Manatsara toetra sao izay no hambabo.
Fa ny fo maloto no manaratsy sy mangarika;
Ka tsy misaina afa-tsy ny hamely sy handavo.
Zoky Abou Nusrayni
Mba mizara izay mba takatro...fa tsy hoe misy inona!
10_09_2019
--------
Rohy: