R.A.D. TSY MAHAY MITAIZA (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
R.A.D. TSY MAHAY MITAIZA

1.Dada Malala sy Neniko izany,
Variana ny saiko ka te hanontany:
Fa maninona hoy aho no tazako hatrany,
Hoe ireo mpifankatia tsy ilaozan-tomany?

2.F’inona tokoa no mahatonga ny fitia?
Fa maninona ny sasany tsy maharitra ho doria?
Mba tiako hianarana fa sao re sanatria,
Tafanaonao foana koa ity izaho ity!

3.F’inona no iasanao saina amin’izany!
Ny fianarana ifantohana f’ aza mananihany!
R’hefa tonga ny anjara ho hita eo ihany,
Sady zava-tsaropady io fa tsy atao fahatany.

4.Nareo koa ‘zany tsy mb’ azo an’taniana
Zah ‘ng’ efa lehibe sao ianareo variana,
Ny namako rehetra efa manan’olon-tiana
Sa hiandrasanareo hisy vohoka ts’ iriana?

5.Zah’ matoa manontany dia manam-pahendrena;
Ny fanaovana vinany dia tsy azoko ekena;
Safidiko ny fiainako , tsy azon’iza terena;
Sady zah’ te hamiratra eto amin’ny firenena.

6.Zah tsy mananihany fa te hah’fantatra kosa,
Zaranareo zah’ mitsotra fa tsy mba kanosa;
K’aza be fangataka andro toy ny mpitrosa,
Ny ny adidinareo amiko manjary tsy tontosa.

7.Io ny anao reniny ah, anjaranao izany,
Ny mitady vola no fantatro dia izay ihany.
Azavao aminy ao ny ny fianana eto an-tany;
Hoe rehfa inona sy inona dia latsaka tomany.

8. O r’ingahy ity, fa nahoana kosa moa?
Izaho irery angah’ niterka azy fa ts’ isika roa?
Samy manana adidy isika ny hanasoa,
Samy tokony hanoro azy izay tsy hahavoa.

9. O ry Dada Malala sy Neniko tiako;
Nareo variana mifanditra ka aleo dia hitsiako
Ny hateza toa anareo anie no mba fanariako.
Ka toroy re aho ny amin’izay ho safidiako.

10.Raha tsy hanoro ange nareo izaho hanara-drenirano;
De aza gaga rah’ indray andro hisy ho avy aty an-trano.
Ho amin’ilay tsy tianareo ka mety hampanganohano.
Izay vao ho tonga aminareo ilay hoe nidiran’angano.

11. Hoatran’n’ misy marina izy ‘zany anie ry reniny;
Tena matotr’ity zaza fa jereo ange ny teniny.
Ny halementsika izao no indro nopotseriny,
Ka izao no izy anaka, izao no tena fehiny.

12. Izahay fony tanora tsy mba nisy nanoro;
Ka tsy hoe tsy te hanoro f’izahay mangorohoro.
Sadaikatra ny lela, ny tebitebinay mandoro.
Raha sanatria diso fanoro ny ho avinao sao ho toro.

Faranko hatreo aloha. Santionany sady sarintsarina tranga iainan’ny tanora entina hampisehoana fa ilaina ny fisian’ny rafi-piarahamonina na sehatra ifanoroana ny momba ny fiainana eto an-tany na ho ana tanora vao mahalala fitia izany na ho ana tanora efa mitokan-trano, eny fa na ho an’ny tanora efa rava tokantrano koa aza.

Zoky Abou Nusrayini
12_15_19
--------
Rohy:
794 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144