You are here: home > Vetso

RAHA SITRAKY NY TOMPO na IN SHA’A ALLAH_featuring Maher Zain - AbouNusrayni

Azo vakiana?

RAHA SITRAKY NY TOMPO
na
IN SHA’A ALLAH (version Malagasy)


R’HEF’ IANAO,
TSY MANDROSO LAVA IZAO,
MAHATSIARO HO VERY
ARY TENA MANIRERY

ALINA DAHOLO
MAIZIN-PITO NY TONTOLO
RENAO HO VOAFEH’
TSY HITANAO IZAY HO ALEH’

AZA KIVIKIVY
NA MANARY TOK’ IZATO IZY
FA NY TOOOMPONAO
TSY OVIANA HANDAO

IN SHA’A ALLAH (x3)
HAHITA LALANA.




R’HEF’ IANAO,
LATSAKA AMIN’N’ TSY FANAO
MBA EFA TE HIALA
FA MATAHOTRA SAO TARA

VERY HEVITRA
NOHO IREO VITA TSY FANDEFITRA
MIBAHANA AO AN-TSAINA
N’FONAO MENATRA MANGAINA

AZA KIVIKIVY
NA MANARY TOK’ IZATO IZY
FA NY TOOOMPONAO
TSY OVIANA HANDAO

IN SHA’A ALLAH (x3)
HAHITA LALANA.



MITODIHA AM’N’ TOMPO
F’IZY TSY MBA LAVITRA
MATOKISA AZY
ASANDRATO NY TANANA
MIVAVAHA HOE O RY TOMPO
TARIHO MBA TSY HO ANY AMIN’NY FAH’VEREZANA
F’IANAO IRERY
NO MPANORO LALANA
TOROY LALANA AH’ !
TOROY LALANA AH’ !
TOROY LALANA AH’ !

IN SHA’A ALLAH (x3)
IANAO HAHITA LALANA.

IN SHA’A ALLAH (x3)
ISIKA HAHITA LALANA.

Abou Nusrayni featuring Maher Zain
11_7_19

Sokajy : fanantenana, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha