RESAKA AOKA (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RESAKA AOKA

Aoka kely izay ry fody an’ala
Ny fihinananareo ny varim-bahoaka
Izahay izao efa tsy te hahalala
Ny baombanareo efa tsy mampitsoaka

Ny hifandrefy hery efa tsy mapisala
Ianareo rahateo efa tsy misy apoaka
Ny fidiranareo tamin’ny makarakara
No hampivoaka anareo koa amin’ny kiloadoaka

Izy ity tsy resaka tombo sy hala
Fa ny tsy mahavita azy tsy maintsy miala
Izay tratra nampiesona tsy maintsy voaroaka

Efa nitroatra izahay vao hoe Ramalala
Andao hifandinika re sy hifamalavala
Hilefitra ihany satria tsy tafavoaka?

Abou Nusrayini, 21 Aprily 2018
--------
Rohy:
889 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144