TAFATAFA, LASALASA … (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAFATAFA, LASALASA …

1.Mihamanana hatrany ny mpanana;
F'izay tsy tafa taraiky eny ihany.
Tsy maniraka hiravy tanana;
Fa mampandinika fomban'ny tany.

2.Misy zavatra tsy be mpilaza;
Ka tafajanon-ko tsiambaratelo.
Ny fizarana izay mba sahaza;
Anie maha-tsara ary koa mahavelo.

3.Misy manome ampahafolon-karena;
Ka dia mahagaga ny fahatafitany.
Fa mbola misy ny tsy azo resena;
Satria am-pahadimy be zao no aparitany.

4. Isika variana ny mitazan-davitra;
Mihevitra fa ny azy efa nifandovana.
Tsy lavina; kanefa voarakitra;
Ny zava-drehetra nisy fiandohana.

5. Efa hatrany am'ireo dadabeny;
No mpanao soa amin'ny fiaraha-monina.
Ny voa tsara nafafin'ireny;
Hatr'aty afara tsy tapitr'angonina.

6.Na naterakin'ny olon-tsahirana;
Ny atidoha hoatrin'ny itovizana.
Amboaro ny saina hahita mangirana,
Ny fahakiviana no tena mamizana.

7. Inona moa no mba tiako ambara?
Tsy voatery hoe nangalatra ireo tafatafa.
Izaho sy ianao mitsangana sao tara,
Mbola misy azo atao mba hah'lasalasa.


Zoky Abou Nusrayni,
19_11_19

(Sary mandrakotra: parking misy rihana voalohany eto Madagasikara?)
--------
Rohy:
635 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115