Tarazom-pahaleovan-tena (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tarazom-pahaleovan-tena

Ireo olona nozanahina rehefa mby novotsorina dia niborioka aoka izany
Soavaly nogejaina nahatapaka kofehy ka mirintondrintom-pahatany
Noheverin’izy ireo manko fa ny fahaleovan-tena dia fahalalahana sesilany
Ka hoe tsy ilaina fehifehy intsony izay rehetra atao fa izay tiany ihany

Dia nibanaka tanteraka ny fitondran-tena rehetra miha-ratsy hatrany hatrany
Manaram-po tsy voatana amin’izato hoe fivoarana avy any ivelany any
Mihajamba saina ny tanora ary izay miana-kendry indray no indro igagany
Ary dia lasa tanjona sy zary sisa antom-pisiana mihitsy ny mitsikanikany.

Raha atao jery todika tsy lavitra akory ny niseho tany taloha tany
Nisy ny tantara iray izay toa tsy dia nanaitra akory nefa mahalasa vinany
Raha nisy tovovavy nipataloha voalohany fa izy hono an-dalam-piovany
Ny vehivavy rehetra nanaboka fa ny lehilahy kosa nanaraby nivanivany.

Nisy ihany ireo tonga saina nanaitra ny olobe fa sao ho ratsy ny hiafarany
Tsy rototra akory izy ireo fa hoe iny ange efa adala ka avelao handeha any
Taty aoriana anefa ireo vehivavy maro an’isa sisa hendry dia nifampanontany
Hoe izay lehilahy andalovan’ilay adala vavy ity toa taraiky any an-tokontany

Dia nitombo ny ahiahy hoe ikala ratsy ity toa tena hangarona vilany
Ka andao koa mba hanao fa efa ady mihitsy izy ity fa tsy hoe hanihany
Isika rehetra izao manam-batana daholo ary samy mba te ho bikabikany
Dia roboka ny maro k’izay sisa tsy nanao indray no matin’esoeso nitomany

Izay rehetra mahasahy mijoro te hamerina indray izany soa toavina izany
Dia mampiaka-pofona ny maro sy mila hampifongatra mihitsy ny hatrany ambany tany
Zava-poana tsy hampihemotra anefa raha izay foana fa rehefa any an-danitra any
Izay tsy nandray anjara hananatra irony adala irony tsy mba oviana hiantrany.

Mpiandry ondriny avokoa ianareo izay tonga saina ireo ka tsy misy akory hamelany
Izay mety ho olom-pantatrao dia tsy maintsy tohananao mba tsy ho lavon’ny filany
Na tiany na tsy tiany tsy ny heviny no jerena fa ny an’ny Tomponao hatrany
Ny manefa adidy koa no tena anjaranao fa fa tsy ny hanafoana ny hadalany.


Daim-penina sinoratra ny Alatsiainy faha-dimy martsa roa arivo folo valo amby tolaky ny andro.
--------
Rohy:
496 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154