TENIN-DRENY… FAHENDRENY... - AbouNusrayni
Azo vakiana?
TENIN-DRENY… FAHENDRENY...
Rehef' ireo manam-pahaizana no tsapa ankehitriny --- fa tsy mahafehy akory anie izato TENIN-DRENY;
Ka ny diplaoma ananany no avo sy ambony --- fa rah' resaka ara-tsoratra dia hita fa toa osa.
Dia hatao mahagaga ve raha misy ireo tanora ---maro an'isa tsy dia nianatra nireninereny teny;
No indro fa malaina raha mba hoe hamaky teny --- ka rah' vao misimisy andininy dia lazainy fa miavosa?
N'inona n'inona ambara na koa hevitra ampitaina --- raha vao lavalava fotsiny aminy tsy mba ho ekeny;
Ka raha ianao no mba mikasa ny handresy lahatra azy --- de diniho ihany izay fa tsy hanery azy kosa.
Efa fantatra anie fa ny fandavana ny azy --- no hataony be aloha mba ts’ hiseho ny fah’lemeny.
Tsy anomezan-tsiny azy anefa rah’ izay izany --- fa ny hevitra tsy takatra mah'tonga ho kanosa.
Ny famaliana bontana sy ny filana ady --- ary koa ny fandrabiana no mba ataony fiereny;
Ka mila fisaintsainana sy fahaizana mihemotra --- ny asa fitoriana raha toa tiana ho tontosa.
Efa fantatra mialoha ny azy raha ny hambopo --- ka na marina no atoronao de tsy mba ho jereny;
Koa raha ianao mikiry biby ny hiroso amin'izany --- dia tsy misy ho azonao afa-ts’ hoe ho maty fosa.
Ilay maodely arahintsika anie ka niavaka tokoa --- ary ny fihetsiny malefakafa no tena FAHENDRENY;
Ny lazantsik'ankehitrin' anefa hoe mahery fihetsika --- tsy azo ifandaharana ary tsy mba mampitrosa.
Vokatr'ireo toetra ratsy novolentsika ihany --- no mahatonga ny finoantsika enjehina ombieny;
Rah'isika no mba miezaka manarina izany --- d'izay asa fitoriana ho mora raisina hisosa.
Zoky Abou Nusrayni,
Vavolombelona.
10_07_19
Mombamomba
Mpanoratra : AbouNusrayni

Nampiditra : AbouNusrayni
Daty : 07/10/2019
Mpamangy : 400
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Varilavo Alahady…AZA AVELA HO VERY FOANA…
Le véritable sens du Ramadan
TSY MILA ANTRA I AFRIKA
TRANO ATSIMO SY AVARATRA, IZAY NOANA FAHANO!
MIJANONA AO AN-TRANO
POROFOM-PITIAVANA TOKONY HAMPIBITAKA…
NY LAFY TSARANY…
KODITRA19
SOA FAGNAHY...