TSY AZOKO…SA TSY AZONAO? (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY AZOKO…SA TSY AZONAO?

Ireo sinoratro mahitsy tsy mba misy hambahamba
Mifono hafatra tsy noforoniko ho anao irery akory
Raha tahiny nisy afo naharay ny zoron-damba
Tsy ianao no nokinendriko k’aza ataonao mampahory

Inoko moa ianao ka handeha handaniako andro
Ny adidy tsy an’olon-dratsy no nanainga izato peniko
Izay tsy te hokianim-bolo mba manaova tsara bango
Ny tenako koa ao anatiny fa tsy hoe misy afeniko


Indraindray tokoa mantsy toa misy resa-manahirana
Tsy tian’ny maro ny hanaova azy ampahibemaso
Nefa ny rivotra mitsioka faobe tsy azo ihodivirana
Ny rehetra no iantefany fa izany tsy ankaso

F’inona no mahaliana ny hanagam-pahavalo
Izay hafa fihevitra rehetra ve dia andeha ho toherina?
Tsy izay misolifatra akory dia tsy maintsy hoe dahalo
Ary raha misy teny tsy ambina tsy maninona averina

Misy tanjona hafa ve ny amin’ny asa fitoriana
Ankoatry ny ezaka hanova izay mbola azo arenina
Ny olombelona rehetra tokony hahazaka kiana
Izaho aloha raha tenenina tsy hanao be marenina.

K’aza dia midradradradra toa tsinindrihazolena
F’angaha de misy antony tsy hitiavako anao?
Ny zarazara anatra andeha re ho ekena
Raha izaho koa no ahitsy dia ekeko tsotra izao


21/12/2017
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Namana - Fiaraha-monina
1203 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148