TSY MIVALO (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MIVALO

Ny fitafinay tsotsotra;
Ny paoketra rovidrovitra;
F’izahay mitanjozotra;
Tena sahy tsy mangovitra.

Na dia tsy manana izahay;
Dia mijoro tsy mba menatra;
Ianareo mpiseho milay;
No sadaikatra sy hendratra.

Rah’ mbola salama tsara;
Sy mahita atao karama;
Tsy hanaiky ny hitsirara;
Tsy maintsy ho tsara fiafarana.

Izahay tsy mba mangataka;
Mbola mahavelon-tena;
Ny moralinay miakatra;
Tsy mahatsiaro mahonena.

Ny fiainana eto an-tany;
Dia fitsapana mandalo;
K’izay mifofotra hatrany;
No tafajoro tsy mivalo.

Ataovo lesona ho anao;
Fa na dia farahidiny;
Rehefa tsy mizahozaho;
Mahita mamy fa tsy ngidiny.

(Sinoratra fito minitra, record-ko)
Abou Nusrayni
29_10_19
--------
Rohy:
581 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014