You are here: home > Vetso

TSY MORA, FA SITRAKO… - AbouNusrayni

Azo vakiana?

TSY MORA, FA SITRAKO…

Mifamaofao mitomandavana ny sedra rehefa mino
Indraindray toa mitambesatra mihatra aman'aina
Zary mahasavolaina nefa kosa dia ankino
ho tantanin'ilay Tompo izay tsy ho lefitry ny saina

Ireo fitsipika mamehy ny fitondranao tena
Tsy ahafahanao miliba na koa hanala sy hiria
Manaikitra ao anaty nefa kosa dia ekena
Tsy an-tery tsinona io fa dia safidy sy fitia

Ny fiaretana ireo tranga efa mila tsy ho zaka
Ny figohana ny tsiron'ny havizana mibeda
Ireo ketrik'i Satana mahatonga anao ho vaka
Hampiaka-boninahitra fa tsy ho fatotra mangeja

Loharano mangarahara mankahery kosa anefa
Ny mahatsapa fa ny tosiky ny Tompo eny ihany
Ny fandrotsaham-pitahiany any amponao miantefa
Mamelombelon'aina… mampilefa ny tomany.


Abou Nusrayini
Sinoratra ny Telompolo Iraika Amby Mey
Roa Arivo Folo Valo Amby Tolaky ny andro

Hametraka hevitra

Midira aloha