TSY RESABE NO ILAINA… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY RESABE NO ILAINA…FA TSARA HAZAVA KOA NY SAINA!

Ny diako lavitr’ezaka mandalo saha maina
Itetezan-karaobato may an-tanety lava
Voizin-tsaina mafy orin’efa zatra nosedraina
Ilofosako mangina ny ahy ny hatsembohan-tava.

Tsy takatra mpitazana be resaka petsaina
Foto-bozaka tsy hitan’izay tsy nanavatsava
Renirano tsy nandroana ve hita ho tantaraina
Ny sira na dia be rehefa lena mora rava.

Ny fihavanana tsy masaka tsy atao hampiasa saina
Idiran-kadalàna izay faly miady lalandava
Ny tsy mitia amin’ny fo ve no ho ezahina angolaina
Aleo aloha ahantona toy izay levona sy rava.

Saika tsy hiteny mantsy aho nefaaaa….

Raha visavisaina
isika havana lalaina
dia toa ireny nokalaina
ny foto-kolon-tsaina
ka tena mila elon’aina
dieny mbola tsy lanjaina
Fa dia tena ho very maina
Izay rehetra novolaina

Ao tsinona ny bebe saina toa tiako ho bedaina,
Ao ny be nainaina maha te ho donaina
Ao ny ditraditraina satria leon’ny nogejaina,
Ao koa ny badabada saina ka zary toa jambaina,
Ao ireo bikabikaina sy mba te ho deraina dia baranahana fitafy toa ireny nozimbaina
Ary satria tsy mba notezaina dia malaina sy miala raha vao hoe atoro sy lazaina
Ao koa hazobe tokony mba ho andrandraina kanefa tsy dia ilaina rehefa toa ireny manamaina


Havana avokoa ireo ary dia tsy afaka ho ariana na dia ratraina sy bangaina aza ny fo ka savolaina.

Abou Nusrayni
25 Oktobra 2018
--------
Rohy:
517 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104