ZANAKO... (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hainao gn'anako!
Tsara zara sy voatahy ianao nitombo voavala;
Na dia nisy ny tsy lafatr' izahay dia teo foana.
Antony nijoroanay ny ho avinao anie malala;
N'fitsinjovanay anao mandrava ola- manoloana.

Eka sombin'aiko,
Raha ampitahaina amin' anay ny fiainanao ka efa mety;
Na dia tsy milomano anaty harena toy ny sasany.
Ny fahendrena anananao no hahatafita vetivety;
Ireo tonom-bavak' efa ifikiranao hanao ny asany.

Eh ianao lalaiko,
Ianao dia nandova saina mahatakatra kokoa;
Hafaliana ny anay rehefa mahatsap' izany.
Ny mahita anao mitombo dia mampitony fo;
Efa tsinjonay sahady ianao hisondrotra hatrany.

Ndao lehe mamiko,
Ny fitiavanao ny Tompo dia tazomy , aza miova;
Ny fankatoavanao anay hivaly hery sy fiadanana.
Mahirata, mahità, tafità soa, mahaleova,
Ho fitahiana ho an'ny hafa, ho mpanome malala-tànana.

Abou Nusrayni
20_09_19
--------
Rohy:
618 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142