GAGA AHO RAMALAGASY (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
GAGA AHO RAMALAGASY

Gaga aho RaMalagasy,
Fa avia anie tazano,
Baoritra sy taratasy,
Dia voarafitra ho trano…

Gaga aho RaMalagasy,
Fa hay va re ny zaoridira,
Na ny tsara na ny ratsy,
Tena mbola misy mila ?

Ny sakafonao tsy lany,
Na ny latsaka an-dovia,
Ifandrombahana aok’izany,
Sady tena misy tia…

Ny hafa eny an-tsena eny
Mitsingoloka fripy :
Ireny tatinono ireny,
Eny hatramin’ny silipy…

Dia gaga aho RaMalagasy,
Raha manao ny fampitaha,
Misy tia ny sisan-gasy,
Sy ny sisan’ny vazaha…

AINA NIRINA
(22 aogositra 2014 tamin’ny 21 :28)
--------
Rohy:
1045 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 02/11/2014 04:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158