TSIKY - Aina Nirina
Azo vakiana?
TSIKY
Tiako ianao ry Tsiky handravaka ny tavako,
Hankahery ahy hizotra amin’ny lalako,
Na ngidy na angola ny rotsin’ny fitiavako,
Dia mbola ianao ry Tsiky no tiako ho eo am-bavako…
Fa raha tsy ianao ry Tsiky no hitohoka amin’ny molotro,
Dia ho longolongo no sisa mba hatolotro,
Ka aza ilaozanao fa ‘ndrao mivonto fo :
Andao mihitsy akia hifangia isika roa…
‘Ndao hifanindran-dalana tsy hisaraka intsony,
Ka raha tojo olana : ianao no hampitony,
Tsiky o avia mba honina eto imolotro,
Hanohana, hankahery, hameno ny tontoloko…
AINA NIRINA
(7 janoary 2015 tamin’ny 18 :23)
Hevitra mandeha
hjravs (11/04/2015 06:16:37)
"ny fitsikiana hono no manambara ny fahadiovan'ny fo", ka hoy aho hoe:
na misy likiliky, mihindrama tsikitsiky, fa mahafinaritra ny mahita anao mihomehy, endrey, tsara tarehy! mahafinaritra ilay tononkalo e!
Mombamomba
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 23/01/2015
Mpamangy : 1731
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
VAVAK'ILAY TIANISY
ANTSOIKO
DISO FANANTENA
RAVA TRANO
OROKA
TSY TIANY HONO AHO
DISO VE?
FENO ANAO NY NOFIKO
ILAY ANJELIKELIKO