You are here: home > Vetso

Nahoana? - Aino

Azo vakiana?

NAHOANA?

Nahoana ny velona no miavonavona,
kanefa ny ampitso dia lasa ho zavona;
Vola sy harena ho lo no ananana
Ka hanamavomavoina ny fihavanana?

Nahoana ny maro no mitonatonana,
Fahaizana kely dia ifokafokana,
Raha vao mandingana irony tokonana
Dia efa mihevitra ho eny am-bovonana?

Nahoana raha sendra ingain'ny vintana,
No mihevi-tena ho eny amin'ny kintana;
Kanefa dia vovoka no niandohana,
Ary vovoka koa no mbola hiafarana

Sokajy : Fiaraha-monina

Hevitra mandeha

fiaritiana (03/06/2006 17:11:18)

tsara be ty tononkalondry ity ary tena marina mihitsy!aingam-panahy tena hummmmmmm!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Aino

Nampiditra : Aino
Daty : 22/05/2006
Mpamangy : 885
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

ny fitiavako anao
tiako nefa
efa tsy anao hintsony
Misaotra
tsy misy toa anao..
Nakaiza lahy
Tsiaro
Mandrakizay
maminko ianao
Ventsoko