Ny Hatanorana (Aino)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry maro tanora, bikana sy soa!
Mba hajahajao e! ny hatanorana.
Fa endrika tsara sy ravaka koa,
Mba hajahajao e! fa aza simbana.

Ny sasany manana tohetra tsy mendrika,
Rehefa mby amin'ny hatanorana!
Miliba fiainana ka indro fa rendrika,
Manao toetra ratsy fenoin-kadalana.

Ilay andro tsara, fotoam-bolamena,
Tsy inn io fa ny hatanorana!
No ampisehoany ny toe-mahonena,
Dia ireo filibana zohim-pahotana

Lay raozy madera no tsara famony!
Tsy hafa, ry aiko, fa hatanorana!
Dia simbasimbany sy larolaroany,
Toetra tsy mety zohin-kasimbana

Ilay endrika tsaran'ny hatanorana!
Sy bikany soa ananany lava!
Dia entiny kosa hanao fidolana
Aviliny mantsy ka tonga mandrava.
Ka hevitrevero, ry maro tanora Mhirelina anie ny hatanorana!
Mba dinidiniho ka mahatahora,
Mba hajahajao ary ka aza simbana.

namorona Andry!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1894 2
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 01/06/2006 20:44)
Tsara be ny tononkalo ary marina ny voalaza!kajio ny hatanorana fa mandalo anie io ry zareo e!ary hararaoty e!
mozart ( 09/07/2006 11:20)
misaotra eeeeeee
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aino
Nampiditra : Aino
Daty : 01/06/2006 11:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102