Raha saraka olon'tiana (Aino)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha saraka olon-tiana

Raha misaraka ny tena
Noho ny elanelan-tany,
Aza resin-kalemena
Fa sikino ny fanahy.

Raha mijoy ny ranomaso
Noho ny elanelan-tany,
Mahonona fo k'andraso
Fa tsy maintsy hihaona ihany.

Raha ny fo tsy mety tony
Noho ny elanelan-tany,
Andrandrao ny ray ambony
F'izy no mahefa izany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Alahelo
1779 4
Hevitra mandeha
chakkakkely ( 12/06/2006 05:20)
tsara be , sady mampahery misaotra eh ,
mozart ( 14/06/2006 11:36)
Misaotra betsaka anao e! tena tsara kosa ilay izy an!!!!!
nyrsi ( 22/06/2006 08:29)
Tsara fa tohizo, ary ny Ray tokoa no mandrindra ny zavatra rehetra; iza moa no mahalala, raha mbola hiaona isika!
rakotoson7 ( 03/10/2006 10:11)
Tena mahery tokoa ilay Raintsika any ambony,misaotra fa mampahery é
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aino
Nampiditra : Aino
Daty : 22/05/2006 12:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015