Tandindona!! (Aino)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ela ianao no lasa, lasa nampisaly fiovanaIlay tontolo manodidina niarahana fahiny.
Ilay fomba sy fiteny
Efa niova avokoa ankehitriny
Ilay antsoantsonao fahiny
Toa lasa foana avokoa ankehitriny.
Efa ela ihany izay, efa ela ianao no lasa
Ho tantara fahatsiarovana
Hampivaingana ho nofim-paniriana
Ampoky ny mamy ny kapoakam-pifaliana
Ho fahatsiarovana anao ry raiko.
Rano vaky izato hehy, eo anivon'ny korana
Efa ela ihany izay, nefa toy ny vao omaly
Ilay angano sy arira, nanjary foana tsy hisy intsony
Izay no topi-maso farany
Nandalo, nandalo tato an-tsaiko
Eto am-baravaram-pasana
--------
Rohy:
Mpakafy:
ail
Hevitra mandeha
fiaritiana
(
15/10/2006 13:28)
andray ry Aino!!ntsôôooooooo!!
