You are here: home > Vetso

Adala - Aloky Ny Sento


Ataoko adala ianao ka tezitra
Ataoko ho hendry tsy misaina
Toy ny biby tsy mihevitra
Toy ny saha tsy mitaraina

Ataoko adala ianao satria
Manaiky ompiana toy ny biby
Manaiky ahiboka mihidy
Manaiky hiboboka mangidy

Ataoko adala ianao satria
Miandry hosena toy ny saha
Miandry sampy tsy mitahy
Miandry tery vao mba sahy

Ka adala ianao rey olona
Tsy mitaky zaran-kasina
Sanganehana hitolona
Manoloana ny tsy marina
ANS 2017

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Aloky Ny Sento


Nampiditra : sarobidy.ans
Daty : 21/04/2017
Mpamangy : 726
Mankafy : 0