Malagasy ve ? (Aloky Ny Sento )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malagasy ve...
Malagasy ve rey olona isika Gasy ankehitriny?
Mianjaika ireo lamaodim-pitanjahan'ny vahiny
Manadino ny fisiany sy tanĂ na niaviany
Manafoka ny fahiny, ny hasiny nariany
Malagasy ve rey olona ireo olom-pitondrana?
Manaiky ny hafa firenena hibodo tanim-panjakana
Mamela antsika iadidianay hiaina anaty fahantrana
Mampahory ny vahoaka, manampa-pahefana
Malagasy ve rey olona ireny Malagasy ireny?
Tsy miteny gasy intsony raha miarahaba ray sy reny
Tsy miteny gasy intsony raha mamaly tsia sy eny
Tsy miteny gasy intsony raha miresaka eny ho eny
Malagasy ve rey olona ireo mpanary ny kolontsainy
Ny an'ny hafa andrianiny hanjakazaka ao an-tsainy
Ny an'ny hafa no jifainy mba ho zavatra lalainy
Indrisy, ny azy kosa lahy toa hafokainy, tsy ilainy
--------
Rohy:
101 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aloky Ny Sento
Nampiditra : sarobidy.ans
Daty : 08/02/2025 18:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.015