Fitserana (Aloky Ny Sento )
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha fantatra mialoha fa fitiavana fitserana no foinao ho ahy...Angamba aho tsy sahy
ny nahita anao akory
Norarako tsy nifoha ilay fitiavako natory
Ankehitriny izy ory...
...hoatr'izay re mba niserana na nisinda mihitsy aza
ilay aloky ny fo raha tsy nangorahanao
Anio anefa maka toerana manesika ahy hamoy fo iny ianao nandao
Ny fahiny rahateo tsy hiverina intsony...
Saingy tsy ho tsininao koa na ho neniko ireny
Izaho no efa totoim-bitana
Tsy nahay nitana fintana...
...na izany na tsy izany hivavaka aho mandrapaha...hitalaho ny ao Ambony, inoako marimarina tsy fitserana intsony no vimbininao ho ahy
--------
Rohy: